Sendikan’ny mpiasa Saps : “Takinay ny hialan’ny tale jeneralin’ny Instat”

Tonga amin’ny tsy azo anoharana intsony ny fitakiana. Naneho ny heviny, momba ny olana eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat) ny “Syndicat autonome du personnel de la statistique- Saps”, ny zoma teo. Nohi­tsin’izy ireo fa tsy miaro velively ny tale jeneraly ity sendika ity. “Ao an-damosin’ireo mpiasa niharan’ny antsojay hatramin’ny farany izahay. Antom-pijoroan’ny sendika tahaka izao ny fiarovana ny zon’ny mpiasa iharan’ny tsy rariny sy ny antsojay”, hoy izy ireo. Miisa 13 ireo mpiasan’ny Instat noesorin’ny tale jeneraly tsy ho mpiasa intsony tamin’ny novambra teo. Na­metraka fitoriana eny amin’ny filankevi-panjakana ireo mpiasa niharan’ny tsy rariny ireo ary namoahan’ny mpitsara didy fampiantonana.

Fanamparam-pahefana sy fanambaniana…

Mihantona izany ilay didy fandroahana nataon’ny tale jeneraly ary afaka miverina miasa avy hatrany ihany koa ireo mpiasa. Niasa tokoa izy ireo saingy nohidina tanaty efitrano iray mitokana anaty birao kely ireo mpiasa miisa 13 ireo. Niady sy niaro ireto mpiasa ireto anefa ny sendika Saps ka efa naverina niasa anatina efitrano mitovy amin’ny rehetra ireo mpiasa ireo izao.
Etsy andaniny anefa, tsy naloan’ny Instat intsony ny karaman’izy ireo nefa tsy tokony ho tapaka izany, araka ny didin’ny filankevi-panjakana.
Nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany izany ireo mpiasa ka mitaky ny hane­sorana ny tale jeneraly. “Anisan’ny anton’izany izao fanampara-pahefana izao sy ny fanambaniany mpiasa ary koa ny fanahiana kolikoly amin’ny fitantanany”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: