Ny 16 desambra 2022 lasa teo, taorian’ny dinika naharitra roa andro teo ambany fiahian’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, vita ny fifanarahana mampandeha ny asa, any Taolagnaro.
Ny QMM, ny solontenan’ireo mpanao fihetsiketsehana, ny manam-pahefana ao an-toerana sy any amin’ny foibe ary ny mpitandro ny filaminana, nifanaraka mba hampitsaharana ny disadisa mikasika ny fananan-tany eo amin’ireo tany anaovan’ny orinasa fitrandrahana.
Fifanarahana mamaly ny hetahetan’ny rehetra, nanao sonia mba handravonana amin’ny fomba maharitra ny olana mikasika ny fitakiana mifototra amin’ny fananan-tany ka nahatonga ny fisakanan-dalana niantomboka tamin’ny 1 desambra 2022.
Fifanarahana mirakitra fanomezan-toky manokana avy amin’ireo mpanao sonia, araka ny andraikitr’izy ireo tsirairay ary mankatoa ny maha ara-dalàna ny lamina narahina nandritra ny valo taona mba hamantarana ireo tompon-tany ara-drazana ao amin’ny toeram-pitrandrahana Mandena.
Mikatona tanteraka, arak’io fifanarahana io, ny fitakiana mahakasika ny fananan-tany amin’ny orinasa QMM. Ankilany kosa, ny QMM nanambara fa hamerina ny fiodinan’ny famokarana herinaratra mitohy ho an’ny tanànan’i Taolagnaro sy hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny Anjara Andraikitra Ara-piarahamonin’ny Orinasa (RSE) amin’ny fanatevenana ny kitapom-bola amin’izany ho 10 tapitrisa dolara ao anatin’ny telo taona.
Faly amin’ny fifanomezan-tanana ny QMM
Faly amin’ny fifanomezan-tanan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra ahita vahaolana maharitra ny tale jeneralin’ny QMM, David-Alexandre Tremblay. « QMM dia manandratra hatrany ny fisian’ny fifampidinihana ho lalan-tokana hahitana vahaolana maharitra. Ny fanomezan-teninay eo amin’ny sehatry ny RSE dia maneho ny finiavanay hamerina ny fanorenana hanjakan’ny fifampitokisana eo amin’ny fifandraisanay amin’ny fiarahamonina mampiantrano ny fitrandrahanay ka mamporisika anay amin’ny fampitomboana ny fampiasam-bola bebe kokoa hatrany ho fampandrosoana ny faritra Anosy».
Taorian’ny fanesorana am-pilaminana ny sakana eo amin’ny faritry ny tetezan’i Maroamalona ny zoma 16 Desambra alina teo, efa miomana ny orinasa QMM manomboka izao amin’ny famerenana tsikelikely ny raharaham-pitrandrahana.
Ndrina