Niampy dimy ny isan’ny toerana famokarana zana-kazo vaventy nataon’ny fanjakana. Manampy ny any Atsinanana sy ny any amin’ny toera-kafa izany, hiatrehana ny taom-pambolena 2022-2023. Tonga nijery izany tany Toamasina ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Rtoa Vina Marie-Orléa, ny herinandro lasa teo.
Nankasitraka feno ity finiavan’ny fanjakana ity ny VOI Lovasoa any an-toerana.
Marihina fa afaka raisina maimaim-poana eny amin’ny biraon’ny Dredd akaiky isam-paritra ny anjara zanakazo ho volen’ny tsirairay manerana ny Nosy.
Efa misy koa ny fikambanana tsy miankina efa nanomboka namboly hazo amin’izao desambra izao, fa tsy niandry ny fotoana ofisialy lazain’ny fanjakana.
Njaka A.