Asa avy hatrany! Nandray ny andraikiny hametraka fandriampahalemana maharitra ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny talem-paritry ny filaminana anatiny Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona, hiandrasana ny taona vaovao izao. Nidina nihazo ny lalam-pasika, nitarika fisafoana izy ny zoma alina teo hatramin’ny asabotsy tamin’ny 4 ora maraina. Nizara ekipa ireo polisy nanohy ny asa fisafoana. Vokany, jiolahy maro sy tovolahy sy tovovavy tsy manana kara-panondro no indray voasambotry ny polisy tamin’io alina io. Trano fivarotana zava-pisotro misy alikaola no tsy maintsy nandraisana fepetra nakatona noho ny fihoaram-pefy fisokafana mihoatra ny amin’ny 10 ora alina. Anjatony ireo fiara nandalo fisavana mba hisorohana ny fivezivezen’ny basy sy ireo jiolahy. Jiolahy roa no nifanehatra tamin’ny ekipan’ny Fip tao Tsarahonenana avy nangalatra gana sy milina fampiakaran-drano tao amin’dry mompera. “Hetsika ezahina hotohizana hatramin’ny taom-baovao mba hilamin-tsaina ny mponina hiatrika ny fety. Hametrahana polisy isaky ny fiangonana rehetra mandritra ny fotoam-pivavahana ny sasakalin’ny Noely ary ny trano fandraisan-danonana ny faran’ny taona, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian ihany.
Sajo