Concert de Midi : seho tsotra nefa kanto

Tontosa ny talata 20 de­sambra 2022 teo, teny amin’ ny Institut Français de Ma­da­gas­car na IFM , ny «134ème Concert Classique de Midi». Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum, nandraisan’ny Ensemble Vocal Hiraitra anjara, notronin’ny International Carol Suites. Matihanina tanteraka ny fikarakarana ary nanome seho mendrika sahaza izany ny mpandray anjara. Voatazona foana ny lentan’ny fampisehoana karakarain’ny Mada­gas­car Mozarteum
Nanakoako teny amin’ny IFM Analakely ireo hira manamarika ny vanim-potoanan’ny Noely niangalian’ny Ensemble Vocal Hiraitra sy ny International Carol Suites. Nandravaka ny fampisehoana ihany koa ny feon-javamaneno notendren’i Antsa Ratsim­ba. «Tsotra nefa nahafinaritra ary tena zavakanto tokoa», hoy ny mpanatrika ny seho.

Mbola hisy ny seho ata­on’ny antoko mpihira roa ton­­t­a eny amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohi­manoro, ny zoma 23 desambra 2022.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: