“Saika ireo olona amin’ny fitondrana teo aloha io enjehina io. Nefa mihoatra noho ny ataon’ny minisitra sasantsasany fa tsy izy rehetra amin’izao fotoana izao izany. Maninona raha atao an’izay koa izy ireo? Raha tsy izany, valifaty politika hatrany no iainantsika eto Madagasikara”, hoy ny depiote, i Voninahitsy Jean-Eugène, momba ny tsy nahatanteraka, fanintelony, ny fandinihana sy fandaniana na tsia ny fandefasana ny antontan-taratasy fanenjehana an’ireo mpitondra ambony eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ) tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena farany teo.
“Tsy miaro ny hoe tsimatimanota aho. Tsy voalazan’ny lalàna fa tsy azo enjehina ny minisitra amin’izao fotoana izao, izay mangalatra ny ankabeazany”, hoy izy. Misy karazana mizana tsindriana ila izany. Azo enjehina ry zareo minisitra; na ny praiminisitra aza, azo enjehina: atao toy izao koa. Fa tsy efa miala eo amin’ny fitondrana ilay olona vao enjehina ara-politika. Lasa karazana valifaty politika izay. Raha izany no iainantsika, tsy handroso. Tsy fahatahorana ny ampitso, fa miantso fitoniana. Ny zavatra mitarika lonilony no tsy mampisy fitoniana antsika. Miteny aho fa misy ny mizana tsindriana ila.
Eo koa ny hoe tsy tratra ny fetr’isa. Antsasa-manila no ilaina amin’ny fampiakarana ny raharaha amin’ny HCJ. Depiote 17 afaka hanao izany ? Tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany. Karazana famonoana olona ihany ny fampiakaran-draharaha toy izany. Tokony hanaraka lalàna ny fanaovana azy, fa tsy atao fahatany amin’izao.
R. Nd.