Distrikan’Ankazoabo Atsimo : tsy mbola nandray karama ireo mpanisa mpifidy

Velon-taraina ireo mpanisa mpifidy. Nambaran’ireo misahana izany asa izany any Ankazoabo Atsimo fa tokony haloa ny tambin-karaman’izy ireo amin’izao fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. “Mbola betsaka ny asa miandry anay. Tsy fantatray anefa hatramin’izao ny tambin-karamanay. Tsy mbola nisitraka izany izahay hatramin’izao”, hoy ny mpanisa mpifidy, Andriamarolahy Rokiny. Nohitsiny aza fa tsy fantatra ny tena tokony horaisin’izy ireo amin’izany. Voalaza fa 80 000 Ar isaky ny mpanisa ho an’ny ao Ankazoabo Atsimo. “Mandray 100 000 Ar anefa ny any amin’ny distrikan’i Sakaraha”, hoy ihany izy. Etsy andaniny, tsy nahazo “Tablette”, araka ny nampanantenaina ireo mpanisa mpifidy. Natao tamin’ny karne fotsiny ihany ny asan’izy ireo. “Tokony hisitraka izany koa izahay nefa tsy hita hatra­min’izao. Mahakivy ilay asa”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa efa tara ny nanombohan’ny fanisana mpifidy tany Ankazoabo Atsimo. Anton’izany ny fahataran’ny fahatongavan’ireo fitaovana ilaina amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: