Fikambanana Ny sahy: mahafapo ny ady amin’ny fifohana sigara

Nahafapo ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina nefa mbola tsara tohizana ny hetsika sy fanamafisana ny lalàna amin’ny fifohana sigara eto Madagasikara, hoy Ramamonjisoa Haja, tompon’andraikitry ny fikambanana Ny sahy.

Nanatanteraka atrikasa momba ny mari-pa­man­tarana ny fifehezana ny zava-mahadomelina eto Madagasikara ny fikambanana Ny Sahy, omaly, izay no­tanterahina teny An­ta­ni­na­re­nina. Niompana in­drindra tamin’ny tatitra sy tombana vita mikasika ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina eto Madagasikara ny hetsika. Nahafapo ny ady amin’izany hatreto, raha ny tatitra nata­on’izy ireo. Maro ny dingana natao nahazoana izany, hoy Ramamonjisoa Haja, to­mpon’andraikitry ny fikambanana. Niainga tamin’ ireo fa­mantarana miisa 31, namantarana ny tanjaky ny ady amin’ ny sigara isaky ny firenena iray. Anisany nandinika ireo famantarana ireo i Madaga­si­kara, niaraha-niasa teo amin’ ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay tafiditra an­atin’ny «Co­mité Constitutif anti-tabac», ady amin’ny fi­paritahan’ny zava-mahadomelina rehetra eny anivon’ny fiarahamonina eny.
Maro ny dingana vitan’i Madagasikara hatramin’izay, toy ny fanentanana sy fanampiana ireo olona te hiala sigara eto Madagasikara ka an­draisana an-tanana azy ireny. Natsangana ny toeram-pitsaboana manokana izay andraisana ireo mararin’ny sigara. Efa nahazo mari-pankasitrahana intelo ihany koa i Ma­dagasikara momba ny ady amin’ny fifohana sigara, natolotry ny OMS. Tsara tohizana ny ezaka nataon’ny fanjakana amin’ity ady ity, hoy ny fi­kambanana. Anisan’izany ny fiarovana ny olona amin’ny setroky ny sigara miparitaka. Efa hita sy tsapa izany any anaty fiara fitaterana sy bi­rao…. Ampiana sy hamafisina ny lalàna miady amin’ny fifohana sigara eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo. Tsy manana lalàna mihatra mikasika ny ady amin’ny fifohana sigara i Madagasikara fa manana lahatsoratra maro mikasika izany fotsiny, raha ny tatitra nataon’izy ireo.

Mino ( MPianatra Asa)

Partager sur: