“Raha ny tokony ho izy, ny 15 desambra ka hatramin’ny 15 janoary ny fialan-tsasatry ny fitsarana. Tsy araka ny filazana azy ny fialan-tsasatra hoe ndeha hikatona ny fitsarana ary handeha hitsangantsangana ny mpitsara”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Anosy, afakomaly, momba ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsarana amin’izao famaranana ny taona izao.
“Natokana hiasanay ao anaty birao ny fialan-tsasatry ny fitsarana, mamita ny vary mangatsiaka tsy vita nandritra ny taona”, hoy izy. Ny fotoam-pitsarana tsotra no tsy misy amin’izany. Nefa rehefa misy raharaha maika, misy hatrany ny fiandrasana raharaha toy ny hoe ady maika. Misy hatrany koa ny fisamborana eny anivon’ny fampanoavana, ny fanaovana famotorana… Misy ihany koa ny fiandrasan-draharaha fa tsy hoe mikatona ny fitsarana ka mandeha manao fialantsasatra ny mpitsara.
R. Nd.