Hanatanteraka hetsika lehibe, natao ho fanampiana ireo zanaky ny lalana ireo mpikambana ao amin’ny One revolution. Lohahevitra hitondrana izao fifanomezan-tanana izao ny “One revolution tia zaza andiany fahefatra”. Natao hampifalifaliana ireo zanaky ny lalana izany, amin’ ny alalan’ny seho an-tsehatra hatao ny 24 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny EPP Antsahabe .
Hisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’izany “Scène ouverte” ka afaka maneho sy mizara ny talentany avokoa ireo ho avy eny an-toerana. “Tsy anavahana na iza na iza izany fa natao hizarana hafaliana ho an’ny rehetra, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao”, hoy ny mpikarakara.
Miantso fifanomezan- tanana
Hiara-dalana amin’izany koa ny hetsika, hotanterahana any Antsirabe. Seho an-tsehatra andraisan’ny rehetra anjara. Miantso ireo tsara sitrapo sy malala-tanana ny mpikarakara mba hitondra ny anjara birikiny amin’izany hetsika izany. Hamalifaliana ireo ankizy zanaky ny lalana sy ireo zaza sahirana ity hetsika ity. Entanina manokana ny mpanakanto, ny mpianatra, ny olon-tsotra ary ny mpiasa handray anjara, ho fiaraha-mientana.
Tsiahivina fa hetsika efa fanao isan-taona ny tahaka izao.
Synèse R.