Taona 2023, hankalazaina maneran-tany ny faha-60 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi. Ma). Hisy, noho izany, fifaninanana hira faneva ho an’izay fankalazana izay. Tafiditra ao anatin’ny fepetra arahin’ny hira mifaninana ny fanajana ny sata mifehy ity fikambanana lehibe ity. Tonony amin’ny teny malagasy ka misy feon-kira mandravaka izany. Tsy voafetra kosa ny kanto ao anatiny. Misy andininy roa farafahakeliny. Misy fiverenana ihany koa. Ahenoana ny teny faneva : «Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany» sy ny vinan’ny Fi.Mpi.Ma : «Kabary, harem-pirenena, mampandroso ny taranaka ankehitriny ary lovan-jafy» ary ny teny fanevan’ny faha-60 taona : «Fi.Mpi.Ma, miroso hatrany, miaro ny ilo mby an-doha». Tonony sy feony ary naotin’ny hira no takiana amin’ny mpifaninana tsirairay. Ampiarahina amin’ny rakitsary izy ireo. Alefa mailaka ao amin’ny HYPERLINK “mailto:foibe.fimpima@gmail.com” foibe.fimpima@gmail.com ny hira hifaninana.
Nisokatra ny 4 desambra teo ny fifaninanana ka tsy hifarana raha tsy ny 4 janoary 2023. Ny 5 janoary ny fitsarana ary ny 8 janoary 2023 no hamoahana ny valin’ny fifaninanana.
HaRy Razafindrakoto