la2m : nanome fitaovana ny koreanina tatsimo

Tonga nanolotra fitaovana ara-medikaly, mitentina 100.000 dolara , ho an’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy sy ho an’ny laboratoara LA2M ny fanjakana koreana tatsimo tamin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Korea miasa eto amintsika, Yongho Son, omaly, teny Ambohidahy. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo ary nitondra ny teny fankasitrahana avy amin’ny fitondram-panjakana. Fitsaboana tsara kalitao no atolotra ny vahoaka ka ilaina ny fampitaovana tahaka izao, hoy izy, nandritra ny lahateniny. Manohana hatrany ny fahasalamana ny fanjakana koreanina tatsimo nandritra ny taona maro.

Partager sur: