Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidison Richard Theodore. Aminy, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II.
«Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i Mahanoro sy Marolambo, isan’ny toky nomen’ny filoha rahateo” hoy ihany izy. Efa ela nitoka-monina i Marolambo, izay tsy tonga tany an-toerana raha tsy kamiao 6 x 6, rehefa sendra oran’andro, izay andaniana andro 6.
Fotodrafitrasa maro
Nitsidika tany Mahanoro hatrany Marolambo, ny governoran’Atsinanana, tamin’ ny herinandro lasa teo, nijery ny fizotry ny asa. Nambarany fa tsy maintsy hovitaina mialoha ny faran’ny taona 2022 ny fanarenana ity lalana ity. Efa vita rarivato rahateo ny tampon-tananan’i Marolambo. Misy sekoly manara-penitra sy biraom-panjakana maro koa any an-toerana. Efa miverina amin’ny laoniny ny herinaratra. Isan’ny hita any Marolambo ny harena an-kibon’ ny tany sy ny hazo sarobidy.
Nentiny tamin’io fotoana io koa ny tambin-karaman’ ny sefo fokontany sy ny lefiny, tsy voaloa tao anatin’ny enim-bolana.
Sajo sy Njaka A.