“Raharaha volamena 73,5 Kg” : andrasana ny fampodiana ireo voampanga

“Efa nisy fangatahana nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an’ireo voampanga aty an-tanindrazana, ary aty ry zareo no mamita ny saziny. Toy izany koa ny volamena, efa misy fangatahana ny fampodiana azy ireo aty Madagasikara”. Io ny fanazavan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), Razafindra­koto Solofohery, teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny “Ra­ha­raha volamena 73,5 Kg” tratra tatsy Afrika Atsimo, tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2021. Mbola miandry ny vokatr’izay fampodiana ireo voamapanga sy ny famerenana an-tanindrazana ny volamena isika.

Tao anaty valizin’ireo voampanga

Voamarina tao amin’ny fifandaharana tao amin’ny fitsarana fa tao anatin’ny valizin’ireo voampanga ireo volamena tamin’ny sidina avy aty Madagasikara. Malagasy no nitondra azy ireo izay mbola tratra tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Afrika Atsimo. Voamarina izany fa avy aty Madagasikara ireo volamena ireo. Natao fanagiazana ho an’ny fanjakana malagasy izany volamena izany. Natao fanagiazana koa ny fiaramanidina nitondra azy. Azo natao hatrany ny fitsarana na tsy natrehin’ireo voampanga aza, satria fantatra ny momba azy ireo. Izay no nahatonga ny fitsarana nanasazy azy ireo. Efa didy fampisamborana navoaka ho azy ireo. Halefa any Afrika Atsimo amin’ny fanatanterahana azy izay didy fampisamborana izay, araka ny fanazavany.
Tsiahivina fa ny 9 amin’ny 26 voasaringotry ny raharaha no voaheloky ny fitsarana.

R. Nd.

Partager sur: