RMDM: mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Avo feo ny eo anivon’ny fanoherana. Nambaran’ny eo anivon’ny RMDM, tetsy Bel Air, omaly fa tokony hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra.

«Atsaharo izany ary avoahy ato anatin’ny fotoana fohy ireo nogadraina noho ny resaka politika», hoy izy ireo. Notanisain’ny RMDM ho anisan’izany ny any Toliara, Nosy Be, Antananarivo. No­hitsin’izy ireo fa tsy mahasoa ny tanindrazantsika sy amin’izao andro fety izao ny hiara-hiaina anaty lonilony.

Hentitra kosa anefa izy ireo ny amin’ny tokony hanagadrana ireo nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. “Sambory avokoa ireny fa aza ny manao ny marina no enjehina sy anaovana antsojay”, hoy ihany ny RMDM.

Etsy andaniny, niantso ny FFKM izy ireo mba hitarika ny fikaonandoham-pirenena ialana amin’izao krizy izao. Notsindrin’ny RMDM fa tsy tokony hiandry korontana sy ra mandriaka na ady vao hi­fampiresaka. “Raiso an-tanana ny fikarakarana izany mba andraisan’ny rehetra anjara. Ray amandreny eken’ny rehetra ianareo”, hoy ihany izy ireo. Niantso mpisehatra politika, ny sendika sy ny fiarahamonim-pirenena hifanome tanana hitadiavam-bahaolana ho an’ny tanindrazana iombonana ny RMDM.

Haka fanapahan-kevitra ny mpanohitra

Hentitra izy ireo nilaza fa handray fanapahan-kevitra po­litika raha manao bemarenina sy tsy mahatanteraka ireo ny mpitondra.

Tsiahivina fa nampahafantarina tamin’izany koa ny mbola mahampikambana feno ny HVM eo anivon’ny RMDM. Miara-dia amin’ny fanoherana ary tsy manaiky izao fitondrana izao izy ireo. Nohamafisin’ny solontenan’ny HVM koa fa tsy misy ny fifanarahana miafina eo amin-dRavalomanana sy Rajao­na­rimampianina. “Tena mifampiresaka izy ireo saingy tsy mitombina ny ambaran’ny sasany ny amin’izany fifanarahana izany. Iraisana ny tanjona eo anivon’ny fanoherana”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: