Na aiza na aiza, afaka manaraka ny fampisehoana. Fantatra fa anjaran’ny tarika Anoka Bà Gasy indray no mizara ny kantony amin’ny alalan’ny “live streaming”, ny zoma 23 desambra izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, ora eto Madagasikara.
Tetikasa izay lasa anaran’ny tarika, ahitana an’i Mbola Talenta, Haja Telofangady, Ralanto, Beauzaka ary Ankoay. Samy manana ny sanganasany ry zalahy ireto, entiny ao anatin’ny tarika Anoka Bà Gasy. Araka ny anarany, tsy mivaona amin’ny bà gasy sy ny hira vokatry ny tany izany. Misy ihany koa anefa ny fameloma-maso ireo hiran’ireo mpanakanto taloha, natoritory tany ho any ka zaraina indray hoan’ireo mpankafy mozika aty aoriana. Anisan’ireny ny sanganasan-dry Arka Zo Rama, Odeam Rakoto, Rasamy Gitara, sns.
Haharitra ora 2 eo ho eo ny seho homanin’izy 5 mirahalahy ireto. Fiarahana izay tafiditra anatin’ny fanomanana ny tetikasa lehibe kokoa amin’ny taona ho avy ity ho an’ny tarika Anoka Bà Gasy.
Nanomboka nalaza ity endrim-pampisehoana iray ity nandritra ny fihibohana. Tsy nifarana fa mbola misy anefa ny seho ampitain-davitra, ary vao mainka mahazo vahana aza satria manala fahasahiranana ireo mpankafy maro izany. Anisan’ny tombony voalohany amin’ny “live streaming” ny fahafahan’ireo mpankafy maneran-tany manaraka izany, na aiza na aiza misy azy. Eo koa ny ny lafiny tsy fandriampahalemana, mampalaina ny mpijery fety, ankoatra ny toetry ny andro, sns. Ao an-trano ihany dia afaka manaraka ny fampisehoana, izay mila “connexion”, mazava loatra. Mila miditra ao amin’ny “http://www.baobabprog.fr” www.baobabprog.fr izay liana.
Zo ny Aina