Niara-notokanana, omaly, teny amin’ny EPP Malaho ny efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny Préscolaire natsangana tamin’ny EPP miisa dimy eto Analamanga. Anisan’ny nisitraka izany ny EPP Malaho, Soalandy, Tsararirinina, Soamanandrariny ary Masinandriana, izay ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano avokoa.
Ahitana efitrano fianarana sy fampitaovana raitra ahafahan’ny ankizy madinika manokatra tsikelikely ny vavahadin-tsainy ny fotodrafitrasa vaovao.
Manodidina ny 246 ireo ankizy madinika afaka hisitraka ny fampiarana amin’ireo sekoly dimy nanaovana fotodrafitrasa ireo.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny groupe Telma, ny fikambanana Kozama, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny kaominina no nahafahana nanao ny asa. EPP 20 no efa nisitraka ny fananganana Préscolaire toy izao raha ny fanazavana. Nanomboka amin’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ary ny tohana ara-pedagojika no natao.
Efa natomboka tamin’ny taona 2015 ny tetikasa “Sekoly Telma” izay ahafahana manatsara sekoly sy mitondra tohana amin’ny resaka fampianarana. Efa mitotaly 6.000 ireo ankizy misitraka ny fianarana any amin’ny Préscolaire tao anatin’ny fotoana nisian’ny tetikasa “Sekoly Telma” ka nananganana izany tamin’ny EPP miisa 20.
Tatiana A