Nanao hetsika manokana ny tompon’andraikitry ny tetikasa Filamatra, omaly sy anio, eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Nampahafantarina ny mombamomba ny tetikasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena biolojika… Nisy koa ny famelabelaran-kevitra samihafa.
Nohazavain-dRazafindrakoto Mamonjisoa, mpandrindra ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ ny Faribolana fanadihadiana marolafy mikasika ny tontolo iainana sy ny fahasalamana (Cemes), fa mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro ny fahasimban’ny tontolo iainana. Simba ny tontolo iainana satria ripaka ny ala, ritra ny loharano, mitombo ny fampiasana entona sy akora simika, ny entona karbona, ny solika, sns.
Miantraika any amin’ny fahasalamana, ny rivotra iainana, ny rano, ny toe-tany sy ny toetr’andro, sns izany. Ary koa misy akony amin’ ny fiainana ankapobeny, toy ny fotoam- pamokarana raha ho an’ny tontolo ambanivohitra. Izay no antony nisian’ ny tetikasa Filamatra teny amin’ny kaominina Tsiafahy, nanomboka ny taona 2021.
Famokarana biolojika
Nohazavain’ny tompon’ andraikitry ny tetikasa Filamatra, fa tsy maintsy miova ny fomba famokaran’ ny tantsaha, ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Vahaolana mahomby indrindra ny tsy fampiasana akora simika amin’ny fambolena. Notohanan’ny tetikasa Filamatra ny tantsaha eny Tsiafahy, amin’ny fomba fanamboarana zezika Bokashi, teknika japoney. Fampifangaroana ny tany mena, tainomby, ampombo, lavenona, ravinkazo ary «levure» fanaovana mofo. Mahasolo tanteraka ny akora ao anatin’ny zezika simika ity biolojika ity, sady manatsara ny nofontany sy mahatsara ny vokatra rehetra, an-tanety sy an- tanimbary.
Eo koa ny fanamboarana fanafody «ady gasy», iadiana amin’ny aretina mpahazo ny voly. Ampiasana akora voajanahary avy amin’ny ravinkazo voandelaka, ampanga, kônsoda, dingadingana, na koa sakay pilo, sns.
Famelabelarana samihafa
Manampy ireo ny famelabelarana arahina ady hevitra, mikasika ny tontolo iainana sy ny fahasalamana, nataon’ny Dr. Andriamaro Luciano, filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Cemes. Misy koa ny mikasika ny fanjarian-tsakafo, ny zezika Bokashi ary ny fambolen-kazo.
Nomena fitaovam-pamokarana ny vondrona tantsaha isam-pokontany. Izy ireo indray no hanaparitaka ny fahaiza-manaony any amin’ny tantsaha namany sy ny kaominina manodidina.
Mamatsy vola ny tetikasa Filamatra ny mpiara-miombon’antoka japoney, ny Toyota environmental activities grant program sy ny RMDA Minds.
Njaka Andriantefiarinesy