Sarona teny amin’i Ledada ny vola sandoka mitentina 1 740 000 Ar, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambovombe-Centre, distrikan’i Manandriana, ny alahady teo. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao amin’ny kariera iray ao Ambalamahatsara. Nanao fitsirihana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nosamborina ny tompon’antoka. Tra-tehaka tamin’izany i Ledada. Nosavaina ny kitapo teny aminy. Kinanjo, vola 20 000 Ar sandoka miisa 81 niampy 10 000 Ar sandoka 12 no hita tao. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ireto vola sandoka ireto ary nentina natao famotorana io lehilahy io.
Tsiferana R.