Vokatry ny fanohanan’ny USAID : olona 800 000 nizaran’ny Pam tohana ara-tsakafo

Tsy misy fiahiana ara-tsakafo ny mponina any atsi­mon’ny Nosy ka tojo olana amin’izao fotoana izao. Ni­tondra fanampiana mitentina 45 tapitrisa dolara hampiasa­in’ny Fandaharanasan’ny Fi­re­nena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny Sam­pan­dra­haraha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ity taona ity. Nahafahana nisoroka ola­na ara-tsakafo goavana ny fisian’ny tohana satria ny antsasa-manilan’ny mponina voa­kasika avokoa, indrindra nandritra ny fotoan’ny maitsoahitra taona 2021-2022, hoy ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, Pasqualina Di Sirio. Mbola misy olona an-tapitrisa ao amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana sahirana ara-tsakafo ary olona 500 000 hafa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, araka ny fanasokajiana mo­mba ny fiahiana ara-tsakafo (IPC) farany. Nandritra ny volana novambra lasa teo, nahazo tohana ara-tsakafo feno ny mponina 800 000 niaraka amin’ny fanampiana ara-bola ho tantsoroka ho azy ireo amin’ny andavanandro. Afaka nandray an-tanana sy nizara sakafo ho an’ny ankizy 80 000 sy vehivavy mitondra vohoka 12 000 koa ny Pam tao an­atin’izany. Vonona hanohy ny fanampiana ho an’ny marefo any Atsimo ny vahoaka amerikanina, hoy ny talen’ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny USAID, Anne Wil­liams rehefa nitsidika ny ta­nànan’Ankirikirika, ao amin’ ny distrikan’Ambosary. Nana­ra-maso teny ifotony ny fitsinjarana ny tohana ho an’ireo olona tena mila izany izy ireo.
Tao anatin’ny roa taona, nanolotra vola 100 tapitrisa dolara ho an’ny asan’ny PAM i Etazonia. Sora-bola anisan’ ny goavana indrindra natolotry ny mpiray ombon’antoka.

Vonjy A.

Partager sur: