Andriamarotafika Soava : “Hanjakan’ny fahamarinana ny lisi-pifidianan vaovao eo”

Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. Mby aiza? Maneho ny fijeriny ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava: “Mihevitra izahay fa ny hoe fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy dia tena fanisana vaovao. Koa izao lisitra vaovao izao dia tena hanjakan’ny fahamarinana..” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny fanisana mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pfidianana izao?
Andriamarotafika Soava (-): Tsy mbola mitsahatra ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Raha any amin’ny faritra amin’ny ankapobeny, efa mitsimpontsimpona… Vita ny ampahan’ny mpifidy amin’ny ankapobeny. Raha ny tarehimarika hatramin’izao: 7 041 436 na 51,80% raha miolotra amin’ny tanjona hoe 13 500 000 no ho isan’ny mpifidy.
Izany dia noho ny mbola tsy naharaisan’ny faritany sasany ny kojakoja raha tsy tany amin’ny tapatapaky ny volana oktobra na ny voalohandohan’ny volana novambra aza ny sasany vao na­nomboka ny fanisana mpifidy. Izay no nahatonga ny faritra sasany somary tratra aoriana kely. Na izany aza, mihazakazaka be koa ry zareo amin’izay fanisana mpifidy izay.

* Manao ahoana ny fizotran’izay fanisana mpifidy izay?
– Efa any amin’ny rantsamangaika any amin’ny kaominina ny ankamaroan’ny takelaka fanisana mpifidy amin’izao. Ny elanelan-toerana no mahatratra aoriana ny fampiakarana azy, miala eo amin’ny rantsamangaikan’ny kaominina mankany amin’ny distrika. Araka ny fanadihadiana natao, fa manao fanaraha-maso hatrany amin’ny fokontany izahay: efa mitsimpontsimpona roa na telo sisa ny eny anivon’ny fokontany. Efa karazany vita ny eny amin’ny fokontany, angamba, efa tafakatra 95%. Ny karne eny amin’ny kaominina mankeny amin’ny distrika no betsaka tavela, fa mifanalavitra be ny toerana.

* Inona no olana amin’izay fanisana mpifidy izay?
– Eo ny olona tsy tratra an-trano noho ny fiavian’ny orana, indrindra tamin’ny tapatapaky ny volana novambra: mirotsaka vao maraina eny an-tsaha, hariva vao tonga. Na ny fanentanana azy ireo hanatona fokontany aza, ny ampahany no mahatratra an’izay. Be dia be koa ny mpanao varo-mandeha. Misy ny asa araka ny tonon-taona: ny any amin’ny faritra Be­tsileo, ohatra, mandeha mamboly any Alaotra, iray volana na iray volana sy tapany. Betsaka koa ny olona mamonjy fitrandraham-bato vaky, izay analina ny mihazakazaka amin’izany.
Amin’izao faramparan’ny taona izao, heverina hoe mety hiverina any an-tanindrazany ireny olona rehetra ireny ary amin’izay no hanaovana ny fanisana. Ankoatra ny hoe tratra aoriana ny fanisana mpifidy, izay no nahatonga ny fangatahana amin’ny governemanta hamoaka didim-panjakana ho fanalavana hatramin’ny faran’ny volana janoary 2023 ny fanisana mpifidy. Na izany aza, tsy manova ny tetiandro nofaritana izany, fa tokony ho amin’ny volana jona 2023 ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

* Manao ahoana ny ho avy ny amin’izany?
– Mihevitra izahay fa ny hoe fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy dia tena fanisana vaovao. Koa izao lisitra vaovao izao dia tena hanjakan’ny fahamarinana. Tsy azo terena ny olona hita fototra noho ny antony hoe tsy te hisoratra anarana, izay misy antony roa farafahakeliny: eo ny lafiny politika; ny iray hafa, misy antokom-pivavahana mitaona ny olona tsy hiraharaha izay raharahan’ny fiarahamonina.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: