Mivoatra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa olana ny tsy fivoaran’ny lalàna sady tsy misy fampiharana izay lalàna vaovao havoaka. Takina ny fampivoarana ny lalàna manan-kery sy ireo voka-pikarohana voarakitry ny bokin’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ho azo hampiharina hitondrana fivoarana ho an’ny fiarahamonina. Tsiahivina, ohatra, ny fanohanana voka-pikarohana ahazoana ny diplaoma «Habilité à diriger des recherches» (HDR), nataon’ny dokotera Zafitody Conscient, mpampianatra mpikaroka anivon’ny oniversten’i Barikadimy sy Fenoarivo Atsinanana. Efa filohan’ny oniversiten’ i Toamasina izy fa tsy nahavita ny fotoam-piasana ny taona 2021. Nitondra famelabelarana ny lohahevi-pikarohany teo anatrehan’ ireo mpitsara fito mianadahy izy ny volana novambra lasa teo, tetsy amin’ny Ecole doctorale Thématique ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. «Fanampiana ny mponina ambanivohitra sy tohana ara-pitaovana ho fanatsarana ny fivelomany maharitra no lohahevitra nohadihadiany tao anatin’ny faritanin’i Toamasina, nandritra ny fotoana maharitra. Nohazavainy ny fomba fanatsarana ny vokatra sy ny fampitaovana ireo tantsaha hampiakatra ny vokatra sy ny vola miditra isan-tokatrano. Voalaza koa ny paikady ahafahan’ny tantsaha hindram-bola ka raha ireo rehetra ireo no tontosa, azo heverina ho afaka ny tsy fahampian-tsakafo ary hanana antoka ny tantsaha malagasy. Nohamafisiny fa ilaina ny fiarovana ny tantsaha mialoha ny loza voajanahary. Vonona izy, raha omena andraikitra, hitondra fampiroboroboana ny tontolon’ny tantsaha fa saingy ilana lalàna fampiharana izany rehetra izany, araka ny fanehoan-keviny.
Sajo