Ankatoky ny fety: miaka-bidy ny akoho amam-borona

Mahatratra hatramin’ny 150.000 Ariary ny vidin’ny vorontsiloza iray eny an-tsena, 20.000 hatramin’ny 40.000 ariary ny mofo mamy ary 2000 ariary kosa ny chocolat. Manodidina ny 100.000 Ariary eo farafahakeliny, ny vola natokan’ny ankamaroan’ny olona amin’izany.

Efatra andro alohan’ny fetin’ny Noely ary sivy andro alohan’ny faran’ny taona. Niakatra avokoa, hatreto, ny vidin’ireo entana entina manamarika izany eto an-drenivohitra, raha ny za­vatra hita eny an-tsena toy ny akoho amam-borona, mofomamy, chocolat. Raha ho an’ny akoho amam-borona manokana, 15000 – 30.000 Ariary ny vidin’ny akoho iray eny an-tsena. Manodidina ny 40.000 hatramin’ny 70.000 Ariary ny gisa. Mahatratra 100.000 hatramin’ny 150.000 Ariary kosa ny vorontsiloza. Ny fiakaran’ny sakafo ho an’ny biby fiompy sy ny saran-dalana mitondra azy ho aty an-drenivohitra no antony mahalafo izany, hoy ireo mpivarotra.
Raha ho an’ny mofomamy indray, manodidina ny 20.000 – 60.000 Ariary eo ny iray. Anisan’ny be mpitady sy be mpanafatra ny “buche de Noël” amin’izao. 2000 hatramin’ny 10.000 Ariary eo no mahazo chocolat iray eny an-tsena. Efa natokana ho an’ny olon-drehetra izany ary azo atao fanomezana mandritra ny fety. “Tsy maintsy tsinjovina ny mpividy manoloana ny halafon’ny ma­sonkarena sy ny akora ampiasaina”, hoy ny mpivarotra.

Takatry ny rehetra
Tsy mahasakana ny olona hanjifa ireo karazan-tsakafo ireo anefa ny vidiny, raha ny fanadihadiana natao. Efa ma­nangona ireo entana ireo tsikelikely ny olona nanontaniana, mba tsy ho tratran’ny fiakaram-bidy rehefa anaty fety. Manomana vola 100.000 Aria­ry eo farafahakeliny ny olona hiantsenana an’ireo. “Fety lehibe ny Krismasy, indrindra ny faran’ny taona, ka tsy maintsy atao ny maha­tsara azy. Atao izay hahafaly ny mpianakavy mandritra izany”, hoy ny raim-pianakaviana iray nanontaniana. Ho an’ny sasany, tsy nanomana vola fa rehefa tonga ny fety dia hatrehina araka izay misy eo am-pelatanana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: