Mbola tena maro tokoa ny mpanatalenta amin’izao fotoana izao. Tsy mifidy taona na saranga fa manana ny maha izy azy avokoa ny kanto vokarin’izy ireo. Samy manana ny mampiavaka azy nefa samy kanto sy mahafinaritra avokoa.
Nifarana ny alarobia 21 desambra 2022, teny amin’ny “Fondation H” Andraharo Antananarivo, ny fampiratina “Cellules humaines, C’est lui l’humain”, notontosain’i Olivia Bourgois sy ny “Fondation H”. Ny foto-kevitra nijorony sy ny seho sy hetsika nandrafitra ny fampiratina no tena nampiavaka azy ity. Fampisehoana ny lalana sy dingam-piainan’ny olombelona manomboka eny ampiforonana hatrany am-pahafatesana. Amin’ny alalan’ny fako no anehoana izany foto-kevitra ijoroan’ny fampiratina izany. Nandravaka izany kosa ny fampiainana ireo zavatra naranty. Teo ihany koa ny fampisehoana nanomezana fahafinaretana ny maso, sofina, orona, ary lela. Ireny rehetra ireny no tena nampiavaka ity fampiratina ity. “Manampy be ny mpianatra ny fahitana sy fiainana mivantana ny zavatra ianarana sahala amin’izao “. hoy i Domoina, mpampianatra nitondra ny mpianany niatsidika ny fampiratina.
Nandritra ny iray volana no nanatanterahina ity fampiratina ity. Ankizy mpianatra, teratany vahiny, mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa tanana. Ireny no nandrafitra ny mpitsidika ny hetsika tao anatin’izay iray volana nanatanterahina azy izay. “Nanahirana ny nisarika ny mpitsidika tany amboalohany noho ny maha hafa ny fampiratina raha oharina amin’ny mahazatra. Lina sy tamàna avy hatrany kosa anefa izy ireo vao nitsidika” hoy ny mpikarakara. Nisy fampiainana ny singa nandrafitra ny fampiratina. Nandravaka ny fampiratina ny fiovaovan’ny loko sy ny hazavan’ny efitrano nanaovana fampiratina. Teo ihany koa ny fampihetsehana ireo singa ireo tamin’ny alalan’ny tsio-drivotra. Ny andro famaranana kosa no nanomezana fahafaham-po ny mpitsidika tamin’ny alalan’ny seho hafa sady nahafinaritra. Tsiro indray no naranty teto, niaraka tamin’ny ireo izay efa nisy teo aloha.
Lin (Mpianatra asa)