BNGRC – Betroka: “Tsy voamarina ny fisian’ny maty”

Nitondra valin-kafatra. nanao fanambarana, omaly, ny eo anivon’ny BNGRC, amin’ny alalan’ny tale jeneraliny, ny Jly Andriakaja Elack Olivier. «Tsy voamarina ny filazana fahafatesan’olona noho ny hanoanana», hoy izy. Tsy mitombina hatreto ny filazan’ny depiote voafidy any an-toerana, Randrianasolo Nicolas fa efa mihinana ny tsy fihinana ny mponina any an-toerana ka efa tafakatra 28 ireo maty.
Nohitsiny fa tsy misy manamarina ny fisian’izany hatreto ny rantsa-mangaikan’ny BNGRC any an-toerana. Tahaka izany koa ireo olom-panjakana any Betroka…

Synèse R.

Partager sur: