COI 40 taona: fiaraha-miasa aty amin’ny ranomasimbe Indianina

21 desambra 1982, feno 40 taona ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ny Port –Louis, midika ny fahaterahan’ny Komisiona ranomasimbe Indianina (COI)

COI (Commission de l’Océan Indien), milaza ny fahavonana amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ ny nosy telo : Maurice, Seychelles ary Madagasikara. Fivoriana voalohany tany Port-Louis, manamarika ny dingana lehibe eo amin’ny fiaraha-miasa, misy eo amin’ ny tany telo tonta. Solontena malagasy tamin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Christian Rémi Richard.

Raha somary hita fa “maivana” ihany ny COI, nahita “goavana” kosa ireo mpanorina azy, ary nanantena fa lasa alavitra ny fiaraha-miasa. Ara­ka izany, fitaovana iray ny COI ho fiaraha-miasa ara-toekarena, sosialy, siantifika sy indostrialy. «Miasa ho an’ny fahalalahana izahay , ho tombontsoa sy fiarovana ny rehetra», hoy ireo lehiben’ny diplomasia.

Taty aoriana, nanamafy ny fidirany tamin’ io kaomisiona io ny Nosy Comores sy La Réunion. Naneho ny tombontsoany koa ny Vondrona eoropeanina, ny Firenena mikambana, sy Australie tamin’ny 1984 avy amin’ny fifanarahana tany Victoria (Seychelles). Hatry ny ela, heverina nampisaraka ireo nosy, na sakana mihitsy ny ranomasimbe Indianina. Koa ny fananganana ny COI, manambara ny fifandraisan’ireo Nosy.

Harena an-dranomasina

Tsy sakana intsony ny ranomasimbe Indianina fa mampifandray ireo firenena. An-tapitrisany km2 maro ny fari-dranomasina azo trandrahina ara-toekarena.

Iray voalohany amin’ireo tetikasan’ny COI momba ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina : ny jono sy fanaraha-maso ireo mpanjono, fikarohana siantifika ny tahiry misy.

Manampy izany ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ireo seranan-tsambo, fitantanana sy fanaraha-maso ny morontsiraka. Avy amin’ny COI no nanombohana ny toekarena manga. Betsaka ny tetikasa mifandraika amin’izany eny amorontsiraka, satria “ny ho avy miankina amin’ny ranomasina”.

Ndrina

Partager sur: