Nifampitaona teny amin’ny foibe fibaikoana ny zandarimariam-pirenena Toby Ratsimandrava ny Emmo/Nat ivondronan’ny zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy ary ny polisim-pirenena omaly. Nisy ny tomban’ezaka momba ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Rakotondrazaka Andry ka nanamafisany fa hanao hetsika iraisana ireo mpitandro filaminana mba hahafahan’ny vahoaka mankalaza ny Noely sy ny faran’ny taona ao anatin’ny filaminana. Tapaka tamin’izany fa hampitomboana isa ny mpitandro filaminana miasa eny amin’ireo toerana hivorian’ny olona sy eny amin’ireo lalam-pirenena atahorana hitrangana lozam-pifammoivoizana. Natao izany mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga sy hitandroana ny filaminana. Nojerena manokana koa ny paikady sy ny fepetra mahomby isaky ny faritra sy faritany rehetra mba hampihenana ny tsy fandriampahalemana mba ho afaka hivezivezy malalaka sy manao fety ny mponina. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa ho hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna izy ireo. Noho izany, miantso ny olom-pirenena ny EMMO/Nat mba hifanome tanana amin’izy ireo amin’ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra sy haingana mba hahafahana mampandry fahalemana amin’izao ankatoky ny fety izao. “Ny fiaraha-mientana eo amin’ny tsirairay no antoka iray lehibe hisorohana ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny COMGN.
Jean Claude