Fiahiana sosialy: manana tolotra ara-pahasalamana maro ny Afafi

Nampahafantatra ny tolotra ara-pahasalamana eo aminy, ny eo anivon’ny Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi), omaly, tetsy Anosy. Manakaiky vahoaka izy ireo amin’izany.

“Tsy mitady tombony izahay fa ma­namora ny fa­ha­zoan’ny fianakaviana marefo ny fitsaboana lavorary. Mi­ezaka mampihena ny sakana eo amin’ny vola, saina sy sosialy amin’ny fitsaboana”, hoy ny mpitantana, ny Dr Randriamalala Vero Olivia. Anisan’ny ataon’izy ireo amin’izany ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana tsotra sy ny fitsaboana nify. Eo koa ny fidirana hopitaly ary ny fiterahana. Nambaran’izy ireo koa fa ahitana fihenam-bidy eny amin’ireo farmasia, miara-miasa amin’ny- Afafi. “Midina hatrany amin’ny 10% izany. Tsy vitan’izany fa mivarotra vokatra ara-pahasalamana amin’ny vidiny mirary izahay”, hoy ihany izy.
Tafiditra ao anatin’ny tolotra sosialy koa ny fitsidihana sy fanomezana torohevitra ary torolalana amin’ny fitsaboana. Ny fanaraha-maso ireo marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Ma­­­nampy izany ny fanentanana ara-pahasalamana sy hetsika maimai-poana mom­ba izany koa.
Maherin’ny 40 000 ireo fianakaviana…

Tsiahivina fa maherin’ny 40 000 ireo fianakaviana avy amin’ny vondrona samihafa, toy ny orinasa, mpampindram-bola, fikambanana, kaoperativa, ary ny kaominina Andranonahoatra, efa mpikambana eo anivon’ny Afafi. Miisa 12 ireo hopitalim-panjakana miara-miasa amin’izy ireo. Miisa 31 ny CSB ary miisa 121 ireo do­kotera tsy miankina, miara-miombona antoka amin’ny Afafi. Miisa fito ny laboratoara raha 29 ireo farmasia ary miisa 16 ireo dokotera, mpitsabo manokana. Miasa eto anivon’ny faritra Anala­manga sy Bongo­lava, miaraka amin’ny any Itasy sy Ma­tsiatra Ambony ny Afafi, amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Partager sur: