Fifandonana mahery vaika : dahalo roa lahy rotiky ny bala, tafaverina ny omby halatra

Tsy an-kitsitsy! Lavon’ ny zandary nanao fanarahan-dia ny roa tamin’ireo dahalo nangalatr’omby tao Ambo­hi­dratrimo, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo.
Nangalatra omby miisa 15, nirongo fitaovam-piadiana ka nampihorohoro ny iray tanàna ireo dahalo. Nampan­dre avy hatrany ny zandary ao an-toerana ny solonte­nan’ny mponina. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tamin’io alina io ihany. Nanao ny sakana re­hetra teny amin’ny toerana nokasain’ireo dahalo handehanana, nifanojo tokoa ny roa tonta. Nifanehatra tao amin’ny kizon’i Maroakan­ga, raikitra ny fifandonana, rehefa vaky nitifitra ny da­halo. Namaly izany ny zandary. Vokany, latsaka ny fo­lo tamin’ireo omby teny amin’ireo mpangalatra. Voan’ny bala koa ny iray tamin’ireo jiolahy. Lavo mi­nitra vitsy taorian’io ity farany.

Tafaverina ny basy

Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fo­konolona. Mbola nanohy ny diany niaraka tamin’ireo omby dimy sisa lasany ireo dahalo. Tsy namelan’ny zan­dary, nanaovan’izy ireo paikady indray ireo olon-dratsy. Tonga tao amin’ny kizon’Antampon’i Mokony, nirefodrefotra indray ny basy nataon’ireo dahalo vao ny mangirandratsy. Tetsy ankilany, namely tifitra ny zandary. Minitra vitsy taorian’ny fifampitifirana, matin’ny bala ny iray naman’ireo dahalo. Latsaka teny aminy ny fitaovam-piadiana. Tafa­verina koa ireo omby sisa tany amin’izy ireo. Naverina tamin’ny tompony, taorian’io ireo omby 15 nokasain’ny dahalo norobaina.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: