Nitohy tany amin’ny kaominina Ankilivalokely sy tany Toliary ary ny fihaonana amin’ny mpianatry
ny oniversiten’i Maninday ny fidinana ifotony, nataon’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Niompana tamin’ny resaka politika sy ny fampandrosoana ny dinika tamin’izany.
Nahitsy ny mpanorina ny MMM raha nihaona amin’ny ben’ny Tanàna Ankilivalokely, any Atsimo Andrefana, manoloana ny fanaovana antsojay ireo olom-boafidy eny ifotony. “Tsy azo ekena izany tsindry sy ramatahora ary fanilihana ireo olom-boafidy eny ifotony, tsy mitovy loko politika amin’ny fitondram-panjakana izany. Lesoka goavana tsy mampandroso antsika ny fifanenjehana”, hoy izy.
Misedra olana amin’ny famatsian-drano ho fanatsarana ny fambolena ny any an-toerana. Tsy afa-manoatra anefa ny ben’ny Tanàna noho ny antsojay ka nahatonga azy ireo nohazonina am-ponja, niaraka amin’ny lefiny. Lany tamin’ny anaran’ny antoko Malagasy miara-miainga rahateo ny tenany. Nohamafisiny fa mitaky fifanomezan-tanana ny fampandrosoana ny firenena ka tsy tokony hisy ny fanararaotam-pahefana amin’ny samy mpanao politika na ny vahoaka eny ifotony. Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony koa Andrianainarivelo Hajo ka nilazany fa ilaina ny fifampihainoana, ahafahana mampifanaraka ny fotodrafitrasa hajoro sy ny filan’ny eny ifotony. “Tsy afaka mitondra fampandrosoana ny mpitondra raha tsy misy fivoarana miainga avy eny ifotony ka tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hiteraka fampandrosoana”, hoy ihany izy.
Fahasahiranam-bahoaka sy ny depiote
Etsy andaniny, nambarany tao Toliara fa tsy mandeha, araka ny tokony ho izy, ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. “Tokony ahemotra ny fe-potoana amin’ izany. Tsy midika akory fa ahemotra ny fifidianana. Betsaka ny tsy tomombana ary tsy tanteraka tao anatin’ny telovolana ny hetsika. Ny sasany tsy mbola manomboka ny fanisana. Ny hafa mbola maro ireo tsy voasoratra. Tsy tara akory io raha asiana sary amin’ny lisi-pifidianana”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, nohitsiny fa anisan’ny nahatonga ny fitsipahana ny governemanta ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fanaovana tsinontsinona ireo olom-boafidy. Nanteriny fa tsy nahagaga ny MMM izany ary efa naneho hevitra voalohany izy ireo momba izany. Anisan’ny antony nialana tao anaty governemanta io tranga io nefa tsy nohenoina izy ireo ka niafara amin’izao ny raharaha. Mahatsapa ireo depiote fa feon’ny vahoaka eny ifotony ireny ka tokony hajaina izany raha te handeha amin’ny fitoniana. “Tsy fanampenam- bava ny marina akory no ahatongavana amin’izany fitoniana izany”, hoy ny MMM.
Fanajana ny tany tan-dalàna
Nitohy tamin’ny fihaonana amin’ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday ny fidinany ifotony. Notsiahiviny fa ny fitsinjaram-pahefana tena izy no hahafahana mampandroso ny firenena. Mbola sarintsarin’ny fitsinjaram-pahefana ny ankehitriny, araka ny nambarany. Ilaina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana mba ahafahan’ny vahoaka miaina ao anaty fampandrosoana. Tokony hahay hanaja lalàna velona ihany koa ny tsirairay miainga avy amin’ny mpitondra fanjakana ka hatramin’ny vahoaka eny ifotony mba hipetrahan’ny tany tan-dalàna eto amintsika. “Hisy akony lehibe eo amin’ny fampandrosoana raha voahaja avokoa ny lalàna”, hoy ihany izy.
Synèse R.