Fampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana eto Madagasikara. Tonga nandrotsaka zana-trondro miisa 3000 mahery, tao amin’ny fokontany Ambohimarina- Ambohidratrimo, faritra Analamanga, ny fitantanana misahana ny fampamokarana ny aty rano ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO) ary ny fitantanam-paritra DRPEB Analamanga, omaly.
Tafiditra anatin’ny tetikasa andrana izay hiarahan’ny MPEB sy ny FAO, ny hetsika. Natao hampitomboana ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara, ary ho fanatavezana ireo trondro tilapia anaty fefy mitsingevana izany.
Nomena fitaovana ireo mpiompy, toy ny fitsapana hafanana, fandanjana elektronika ary ny sakafon’ny trondro ompiana, hoentin’izy ireo mandrefy ny fitombon’ireo zana-trondro.
Tsiahivina fa faritra telo izay no nanaovana fandrotsahana zana-trondro andrana amin’ity tetikasa ity, isan’izany ny faritra Itasy, Atsinanana ary Analamanga. Hozaraina amin’ny faritra hafa ny vokatr’ireo andrana, amin’ny taona 2023.
Fitia (Mpianatra Asa)