Herisetra an-tokantrano : tonga mitaraina eny Mahamasina koa ny lehilahy

Telo taona no niorenan’ny ivontoerana miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy eny Mahamasina, niainga avy amin’ny finiavan’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, izay masoivohon’ny ady amin’ny herisetra eto Madagasikara sady filohan’ny fikambanana Fitia, misahana asa sosialy sy fanohanana ny marefo. Nandritra izay fotoana izay, nahatratra 7 162 ny trangana herisetra voaray raha 6313 ny olona niharany satria ny olona iray mety niharan’ny karazana herisetra maromaro, hoy ny tompon’andraikitra lefitra misahana ny ivontoerana, Rakotomavo Norohanta, omaly. Tsy mihoatra ny 100 ny lehilahy nanatona nitaraina ao an-toerana ary rehefa tena tsy zakany ny zavatra mianjady aminy vao mitady torohevitra sy fanampiana izy ireo. Ny herisetra ara-tsaina sy ara-toekarena matetika ny antony manosika ny lehilahy ho eny amin’ny ivontoerana. Very asa tampoka ka tsy manana fidiram-bola intsony, voala­tsalatsa matetika na koa efa nisara-panambadiana ka tsy avelan’ilay vadiny taloha mi­fanerasera amin’ny zanany, ohatra, no mateti-pitranga. Vitsy ireo nanambara fa voakasi-tanana, iharan’ny herisetra ara-batana ao anatin’ny tokantrano, araka ny fanazavany ihany.
Ahitana ny sarangan’olona rehetra ny mitondra fitarainana ao isan’andro. Enina ny sampandraharaha mandray an-tanana ireo niharan’ny herisetra : mpisolovava, brigade feminina de proximité, mpiasa sosialy momba ny tantsoroka ara-tsaina, mpitsabo, ny polisy misahana ny fiarovana ny ankizy sy ny vehivavy (PMPM) ary ny psychologue. Aorian’ny fandraisana an-tanana samihafa, ilay mpitaraina ihany no mandray malalaka ny fanapahan-kevitra farany momba ny tohin’ny raharaha. Amin’ny ankapobeny, miezaka mandravona ny olana hatrany izy ireo. Rehefa tapa-kevitra fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana kosa ilay niharan’ny herisetra, manatona avy hatrany ao amin’ny PMPM mandray ny torolalana samihafa. Tamin’ity taona ity, tao ana­tin’ny trangana herisetra 2036 voaray, 416 noraisian’ny PMPM an-tanana avy hatrany. 70% amin’ny tranga niakatra fitsarana no mivaly ary nahitan’ny mpitory vokatra tsara.

Vonjy A.

Partager sur: