Hetsika amin’ny fety: manao “Bazar de Noël” ny Fondation Céline et Didier

Manohy ny hetsika sy ny asan’ny Fondation Céline et Didier amin’izao herintaona nitsanganany izao ireo tara­nany. Mikarakara hetsika “Bazar de Noël” izy ireo, nanomboka, omaly hatramin’ny 24 desambra izao, etsy amin’ny Cercle Franco-Mala­gasy, Anosy izany.
Ahitana tranoheva miisa 30 izany ary misy ireo kojakoja samihafa, ilaina amin’izao fety izao.
Tsiahivina fa anisan’ny tena nilofosan’ny Fondation tao anatin’ny herintaona voalohany ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanamasahana izany. “Anisan’ny politika napetraky ny amiraly Ratsi­raka tamin’izany ny fampanatonana ny zaza ny fanabeazana ka nanorenana ny Sekoly fanabeazana fototra (SFF) isaky ny fokontany. Teo koa ny kolejy (CEG) isaky ny firaisana ary koa ny oniversite isam-paritany”, hoy ireo zanany.
Tsiahivina fa efa eo am-panodinana ny horonantsarimihetsika maneho ny tanta­ran’ny rainy, ny amiraly Ra­tsiraka, izy ireo izao.

Synèse R.

Partager sur: