Jeneraly Rakotonirina Richard : “Tsy ekena ny fanakoron­tanana”

“Amin’izao ankatoky ny fety izao, indrindra ny taom-baovao izao: tsy ekentsika
ny fanakorontanana na avy amin’iza na iza. Mijoro ny Foloalindahy malagasy ary ao an-damosin’ny filohan’ny Repoblika, miaro ny safidim-bahoaka.” Io ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenana sady minisitry ny Raha­raham-bahiny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotonirina Richard, teny amin’ny Cercle Messe Soa­nierana, afakomaly, taorian’ny lanona-miaramila famoahana ny andiany faha-28 misy manamboninahitra ambony 25 nahavita fiofanana amin’ny sekolin’ny Etamazao­ron’ ny Tafika malagasy.
Ny filohan’ny Repoblika ombieny ombieny dia mandrisika hatrany ny Foloalindahy malagasy hanakaiky hatrany ny vahoaka malagasy ho fiarovana ny ainy sy ny fananany. Noho izany indrindra no nanambarany fa mandala ny lalàm-panorenana ny Foloa­lindahy malagasy, mandala koa ny safidim-bahoaka. Sa­fidim-bahoaka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Miaro an’izay safidim-bahoaka sy fiandrianam-pirenena ary ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, mba tsy hisiana korontana na avy aiza na avy aiza izay ny Foloalindahy. Tsy azo ekena ny korontana. Mi­joro hatrany amin’ny fampiharana izay fandriampahalemana eto Madagasikara izay ny Foloalindahy, ary tsy mitarain-tana-miempaka amin’ny fanatanterahana ny adidiny
sy ny asany momba an’izany fametrahana fandriampahalemana izany.

 

R. Nd.

Partager sur: