Jly Rakotonirina Richard : “Mijoro miaro ny safidim-bahoaka hatrany ny Foloalindahy”

“Mijoro miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ny Foloalindahy. Izy ireo no miantoka ny fandriampahalemana eto amin’ ny tany sy ny firenena. Noho izany, tsy atao ambanin-javatra ny asa sy andraikitra iantsorohana amin’izao an­katoky ny fety izao mba ha­merenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana nandritra ny famoahana ireo manamboninahitra ambony nivoaka tao amin’ny Ecole d’Etat Major eny Fiadanana. Nohamafisiny fa amin’ny maha tandroka aron’ny vo­zona azy ireo, tsy natao hiaro ny tombontsoan’olom-bitsy na vondron’olom-bitsy mikononkonona fanakorontanana ny Foloalindahy fa natao hijoro sy hiaro ny safidim-bahoaka. Tokony hanana Foloalindahy vonona sy sahy hiatrika ireo ambana marolafy isika, araka ny nambarany. “Mijoro hatrany hiaro ny fiandrianam-pirenena ny Tafika Malagasy satria tany tan-dalàna i Ma­dagasikara”, hoy hatrany izy. Marihina fa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha XXVIII ny école d’état major (EEM) nahitana manamboninahitra ambony miisa 25. Nitarika izany teny an-toerana ny MDN. Nisy ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpiray andiany nahavita fiofanana sy fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpiandraikitra ny andiany. Ny Komandà Ramandazafy Toavina Lalaina no sangany tamin’izy ireo. Navoitran’ny MDN ny maha zava-dehibe ny fanofanana ireo manamboninahitra ambony ho vonona sy sahy hiatrika ireo ambana satria nofanina ho mpitarika izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: