Mianoka anatin’ny fetin’ny Noely tanteraka isika ankehitriny. Namaky lay ny fankalazana miezinezina ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Mananjara samy mananjara ny mponin’ Antananarivo. Tafiditra an-dapa, tsy misy sakana ny sarambabem-bahoaka. Malalaka ho an’ny besinimaro tanteraka ny fivezivezena ao anatin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Vita ravaka tsara tarehy miaraka amin’ny hazavana tsy hita noanoa. Mambabo ny maso sy ny fo ny mijery azy. Tara-pahazavana, mamelombelona fanantenana izany. Toa hadino tanatin’ny indray mipi-maso ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Sodokan-draha tsy fahita rahateo izay tonga mitsidika.
Mahafinaritra e ! Saingy sanatriavin’ny vava hoe mpanatsatso ny ezaka atao, fa raha mijery ny hodidina misy, indrindra amin’ny fiainana andavanandro dia somary sanganehana ihany. Misy lojika tsy mifanojo eo amin’ny karazana vaindohan-draharaha sy ny filan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Indrindra miaina olana sosialy goavana ny mponin’Antananarivo amin’ny famatsiana herinaratra. Teboka tsy maintsy jerena satria antoka hisian’ny fitoniana politika sy ny fahamarinan-toeran’ny mpitondra ny fanomezan-danja ny filana fototra. Iaraha-mahalala rahateo fa manomboka mipoipoitra tsikelikely ny fanehoam-pahasosorana eny anivon’ny fiarahamonina. Tranga madinika tsy azo tsinontsinoavina. Fanamarihana kely natao, mba tsy hanaovana ny fiainam-bahoaka tahaka ny kilalao mandritra ny fetin’ny Noely izany. Hisorohana izay azo sorohina, anatin’ny vanim-potoana ilana fitoniana no nanipazana kely izay.
Na izany na tsy izany, mendrika ny seho eny an-dapa. Tsy jerena amin’ny onja miiba ny zava-misy. Hita taratra ny fanehoam-pitiavana ataon’ny Filoham-pirenena. Feno fahasahiana ny hetsika atao, any anaty « faritra mena ». Kisary mampiseho fa lolohavina an-tampon’ny loha ny vahoaka. Tsy natao ho tompon-trano mihono amin’ny ao anaty birao fiasan’ny Filoha izay napetraky ny vahoaka ihany. Fotoana hifampizarana ny mamy, hifamelan-keloka ny Krismasy. Inoana, araka izany, fa hampiray fo ny vahoaka sy ny mpitondra ny hetsika. Hifamelan’ny andaniny sy ny ankilany amin’izay nahasorena sy tsy nety. Indrindra hanamafy indray ny fihavanana sy ny fifampitokisana amin’izy ireo. Mba ho Noely hampanjelanjelatra ny fiainan-dRamalagasy, tahaka ny firedaredan’ny jiro ao anaty lapa ihany koa !
r.r