“Vary tsinjo mifety”: entanina ny mpivarotra tsy hanararaotra

Natomboka omaly 21 desambra 2022 ny varotra “Vary tsinjo mifety” eny Alasora By Pass, Am­bohi­dahy Ankadindramamy, ary Manjakaray. Amidy 650 Ar ny kapoaka na 2275 Ar ny kilao. Nanapa-kevitra ny Mini­si­teran’ny Fampiroboroboana ny indostria, Varotra sy fanjifana (MICC) fa tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny varotra “Vary tsinjo mifety” anatin’izao volon’andro fety izao.
Tonga nanokatra izany teny amin’ireo mpivarotra mpaninjara mpiara-miasa, mi­sy peta-drindrina famantarana, ny avy amin’ny MICC notarihin’ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC), Andriamadison Haingo. Fo­toana nilazany fa tsy mitsahatra manara-maso ny vidin’entana sy ny kalitaon’ny entana amidy ny minisitera.
Entanina araka izany ny mpivarotra tsy ho alaim-panahy hanararaotra, noho ny fitomboan’ny fanjifana, amin’izao fety izao. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra koa, indrindra ny mpanjifa, hahasahy hilaza raha misy ny tsy fanarahan-dalàna mety hanohintohina ny fahafahany misitraka ny zony, fampiakarana tsy ara-drariny ny vidin’entana na tsy fanajana ny kalitao.
Tsikaritra ny fihenam-bi­din’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sasany amin’izao fotoana izao. Na­hitana fidinany, ohatra, ny menaka soja mihidy (cacheté). Raha 9500 Ar ny litatra teo aloha dia lasa 9200 Ar izany ankehitriny. Marihina anefa fa tsy amin’ireo toerana ireo ihany no ahitana mpanjifa eto Madagasikara.

Ndrina

Partager sur: