Isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Amin’ny alalan’ilay hetsika « Volana iray, mpanoratra iray ». Nosafidiana tamin’ity volana desambra ity i Ira na Rasoloherimandimby Eloi. Poeta sy mpanoratra ary mpampianatra izy. Nanomboka nanoratra ny taona 1986 ary isan’ireo mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra ihany koa nanomboka ny taona 1989. Ny tononkalo no tena nifantohan’i Ira, na dia nanoratra sombin-tantara sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo ihany aza izy. Tsy dia mba rototra tamin’ny famoahana boky azy manokana i Ira. Saika amboaran-tononkalo niraisany tamin’ireo mpiray faribolana aminy avokoa no nivoaka ho boky. Anisan’ireny ny “Iray ampahatelony”, ny taona 1995, “Molaly”, “Fararanon-tononkalo”, “Tontolo isainana”, “Sandrakalo”, “Amboara nangonina”, “Fitia gasigasy”, “Fitia maroloko”, “Sandratr’antsa”, sns.
Toa ireo mpanoratra nosafidiana talohany, misy ny fampirantiana ireo asa sorany etsy amin’ny Tranombokim-pirenena izay mitohy hatrany. Eo koa ny fampahafantarana ny mombamomba azy amin’ny tambajotran-tserasera sy amin’ny fahitalavi-pirenena TVM.
Zo ny Aina