VPHM :”Mila fikaonandoha ny toe-draharaham- pirenena”

Maro ny fitantanan-draharaha tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny eto amin’ny firenena amin’izao, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny Vondrona politika hafa miray (VPHM) ta­min’ny fanambarana navoakany, omaly. “Izany indrindra no mahatonga ny maro an’isa miantso fikaonandoham-pirenena, hialohavan’ny fikaonandoham-paritra handinihana indrindra ny lalàmpanorenana tena izy, azo hametrahana ny andininy momba ny fiarovana azy”, hoy ny filoha mpiara-mitantanana, Rasoa­maka James, nitondra ny fanambarana.
Mba tsy hohitsakitsahina sy hatao amin’izay tiana handikana azy izay lalàmpanorenana izay, rehefa hampiharina amin’izay tian’ny mpitondra hilana mba hifanaraka amin’ny tombontsoan’izy irery iha­ny. Eo ihany koa, ohatra, ny lalàm-pifidianana mba hi­sian’ny fitoviana amin’ireo mpirotsa-kofidina. Eo indrindra koa ny raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta nataon’ny solombavambahoaka, izay nahitana ny tsy fahamatoran’izy ireo ka miteraka savorovoro amin’ny samy izy ihany.
Hita tamin’izany ny antso nataon’ny filohan’ny Anteni­miera roa tonta sy ireo parlemantera manohana ny fitondrana ary ireo olom-boatendry sasantsasany izay miantso fitoniana amin’ny vahoaka malagasy. “Hita amin’izany ny fitsabahana andraikitra amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka”, hoy izy.

Very ny harem-pirenena

Hita ny fahaverezana mi­hoapampana ny harem-pirenena toy ny volamena milanja hatramin’ny 4,5 T, teo anelanelan’ny taona 2018-2021, izay mitentina772 milira Ar, araka ny tatitra navoakan’ny fitsarana momba ny kaonty. Nony jerena anefa ny valim-pitsarana momba ny fanondranana antsokosoko volamena 73,5 Kg, tsy nahitana ny anaran’izay tena tompon’antoka fa olona irakiraka sy mpiasa no iharan’ny sazy. Banky rompitra ny kitapom-bolam-panjakana, ka efa sahirana mila tsy hahaloa ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny tsenam-panjakana intsony ny fanjakana misy. Teo koa ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana, ka taratasy tsotra nataon’ny minisitra dia ampy nanapahana ny kara­man’ny mpiasam-panjakana maro.

R. Nd.

Partager sur: