Ankafizin’ny Malagasy ny manaingo trano amin’ny alalan’ny fametrahana hazo noely . Hita manao izany hatreto ny trano misy zazakely sy ankizy, raha ny fanadihadiana natao. Ny ankizy no tena ampifaliana satria fetin’ny zareo rahateo ny noely, hoy i Toky. Mangataka ny hisian’izany ao an-trano izy ireo, mitomany mihitsy raha sanatria tsy misy ao an-tokantrano. Mbola ividianana kilalao ihany izy ireo, hoy ny renim-pianakaviana iray. Voatery mividy ny Ray aman-dreny ary mamorona mihitsy mba hitovizan-janany amin’ny zanak’olona rehetra. Averina ampiasaina ny hazo noely tamin’ny herintaona raha mbola tsara, mba mampihena ny fandaniana.
Be mpividy ny hazo noely amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Misy ny manjifa anaty mangazay lehibe, raha eny amoron-dalana ny olona sasany. Manodidina ny 40.000 hatramin’ny 5000 Ariary ny vidin’ny iray ka misafidy ze takany ny olona. Mahalafo entana 20 isa ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana hatramin’izao. Misafidy hazo noely kely indrindra sy endrika vaovao ny ankamaroan’ny olona nanontaniana. “Tsy mibahana trano sady mahafatifaty ny paoziny ka antony nisafidianana izany, sady mba miala amin’ny mahazatra” hoy i Fanja. Ahitana hazo noely avokoa na any an-trano na any am-piangonana, na eny amin’ireo toeram-panjakana maro samihafa eto Andrenivohitra.
Mino