Misy tsy mazava ary tsy mangarahara. Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny handefasana ny mpisafondraharaham-panjakana “Inspection Générale d’Etat – IGE” hanao fanadihadiana ny eo anivon’ny Fandrindrana ny ady atao amin’ny Sida (CNLS).
Hentitra ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa tsy maintsy tanterahina anaty fotoana fohy izany fanadihadiana sy fitsirihana izany. “Misy fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony natao (dépenses inéligibles) tao anatiny ka takian’ny Tahirimbola maneran-tany (Fonds Mondial), mamatsy vola ny CNLS ny hamerenana azy“, hoy izy. Nilatsaka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika fa tsy azo avela fotsiny amin’izao izany fitantanam-bola tsy mazava izany. Tsy maintsy mamerina hatramin’ny farany ny vola nolaniany tsy manaraka ny fepetra
ireo tompon’andraikitra nanao ny fandaniam-bola tsy tokony ho natao, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) tsy ara-potoana.
Noesorina ny tale jeneralin’ny Instat
Notanterahina, omaly, tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra izany. Nitarika ny fivoriana, amin’ny maha mpitantana ity vaomiera ity, ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny fanaovana tomban’ezaka manasa-dalana vitan’ny COI. Eo koa ny fandinihana ny fitsipika anatiny mifehy ny vaomiera, ary ny fanomanana koa ny fivoriana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao anatin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny COI. Tokony hotontosaina amin’ny taona ho avy izany.
Tsiahivina fa efa neken’ny filankevitry ny minisitra ny volana oktobra teo ny hampiantranoan’i Madagasikara izany.
Ankoatra izany, noesorina amin’ny toerany, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra hatrany ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa. Tsy azo ihodivirana ho anton’izany ny nandroahan’ity tompon’andraikitra ity mpiasa am-polony, nitaky ny zony sy ny tambin-karamany. Teo koa ny nanapahany ny karaman’ireo mpiasa ireo.
Synèse R.