“Tsy misy eritreritra handrava ny birao maharitry ny Antenimiera ny depiote maro anisa, ary tsy ao anatin’ny nanaovana antso avo hitadiavana fitoniana izany”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri Dominique, momba ny hoe fangatahana fivoriana tsy ara-potoana handrava ny birao maharitra.
Koa raha mitady fitoniana isika, tsy misy manana na mahita tombontsoa amin’izay mety ho faharavana na iray Na ny eny amin’ny Antenimierampirenena tarihin’ny birao maharitra izany, na ny any amin’ny governemanta. Resaka politika izany ary mbola ao anatin’ny hoe fanelezana vaovao tsy marina izany.
Mazava ny teny napetraky ny filohan’ny Antenimierampirenena momba ny fiantsoana fampitoniana. Noho izany, mazava ny toeran’ny solombavambahoaka maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny hoe tsy fifampitokisana: vita hatreo ny resaka amin’izay. Amin’ny teny tsotra: nitsefotra iny.
Mila mahay maka lesona ny tsirairay
“Ny zava-dehibe: anjaran’ny tsirairay ny mandray lesona hiatrehana ny raharaham-pirenena amin’ny taona vaovao io”, hoy izy. Eo ny governemanta, ny Antenimierampirenena, ary eo ny filohan’ny Repoblika izay andry iankinan’ny fampandrosoana. Raha ny maro an’isa amin’ny solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena, manaja tanteraka ny lamina apetraky ny filohan’ny Repoblika hisian’ny fitoniana sy hirosoana mafimafy kokoa amin’ny sehatry ny fampandrosoana.
Tsy tongatonga ho azy ireny disadisa ireny, fa samy tokony hahay maka lesona. Samy tokony handinika na ny mpanatanteraka na ny eny amin’ny Antenimierampirenena: inona marina no mahasoa ny vahoaka ? Tsy ampy ka tokony hohamafisina ny fifandraisana na ny serasera. Mba hahazoana miroso mafimafy kokoa amin’ny fampandrosoana no tanjona.
R. Nd.