Drafitrasa SNDR: voka-bary amboniny 1 tapitrisa taonina amin’ny taona 2024

Natao, omaly, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny Drafi-pirenena fanajariana ny vary, andiany fahatelo (SNDR III). Tanjona ny hanatsarana sy ny hampitomboana ny vokatra, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nanomboka ny taona 2008 ny SNDR I, mirakitra ny paikady hanatsarana ny sehatry ny vary eto Madagasikara. Nitohy ny taona 2014 ny andiany faharoa, ary izao taona 2022 izao ny andiany fahatelo, SNDR III. Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, omaly, nandritra ny atrikasa , fa havaozina hatrany ny drafitrasa, mba hifanaraka amin’ny tanjon’ny fanjakana. Tanjona, ny fampitomboana ny voka-bary sy ny tahan’ny vokatra azo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-bary, fototry ny fahavitan-tena ara-tsakafo, voafaritra ao anatin’ny velirano faha-9, nofaritan’ny Filoham-pirenena.

Efa hita ny velaran-tany 200.000 ha

Nomarihin’ny minisitra Ramilison Harifidy, fa tanjona lehibe ao anatin’ny SNDR III, ny hahazoana voka-bary fanampiny, 1.000.000 taonina mialoha ny faran’ny taona 2024. Hanatrarana izany, efa nojerena ny velaran-tany midadasika azo tondrahana sy hajariana manerana ny faritra 23. Manodidina ny 200.000 ha ny efa hita, ary efa andalam-panaovana fanadihadiana hitadiavana mpamatsy vola ny 100.000 ha amin’izany. Misy koa ny efa mandeha ny asa fanajariana.

Iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa ny fanatanterahana ny SNDR III. Anisan’izany ny Banky Iraisam –pirenena, ny AFD, ny Jica, ny Africa Rice, ny Fida, sns. Eo koa ny sehatra tsy miankina samihafa. Ho an’ny eto an-toerana, anisan’ny miara-miasa amin’ny fanjakana ny teknisiana ao amin’ny Fofifa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: