Nivoaka ny didim-panjakana mankato ny fanalavana ny fe-potoana hanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Niainga tamin’ny alalan’ny fangatahan’ny Ceni tamin’ny fitondram-panjakana izao fankatoavana izao.
Araka izany, hohalavaina hatramin’ny 31 janoary 2023 ny fe-potoana farany amin’ny fanisana mpifidy raha tokony hifarana amin’ny faran’ity volana desambra ity izany. “Nisy ny fahatarana tamin’ny fanombohan’ny fanisana tany amin’ny faritra tany. Teo koa ny fahataran’ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’izany ka antony nangatahana ny fanemorana ny fe-potoana farany, ahafahana manao izany”, hoy ny tale kabinetran’ny filohan’ny Ceni, Andriamifidy Jean Louis, omaly. Tsy vitan’izany koa anefa fa teo ny fitakian’ireo antoko politika sy ny mpisehatra amin’ny fifidianana ny amin’ny tokony hanalavana ny fotoana noho ny tsy fahatomombanana samihafa, hatrany am-piandohana.
Nambaran’ny Ceni fa hitohy hatrany izany ny fitetezana tokantrano ataon’ireo mpanisa mpifidy. Afaka manatona ny biraom-pokontany kosa ireo tsy tafiditra ao anaty lisitra aorian’io faran’ny volana janoary io.
Tsy niaraka amin’ny antoko politika
Nilaza ny hanao ezaka ny eo anivon’ny Ceni amin’ny paikady hapetraka eny ifotony momba ny fanisana ny mpifidy. “Hojerena akaiky amin’izany ny olana. Aoka koa isika hanoka-baravarana ireo mpanisa mpifidy rehefa tonga eny amintsika izy ireo”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nahitsy ity tale kabinetra ity nilaza fa tsy mitombina ny vaovao anaty “Facebook” momba ny filohan’ny Ceni ho nandray anjara tamin’ny kongresin’ny antoko iray tany Atsimo Atsinanana. “Tsy marim-pototra izany vaovao izany. Nandray ny masoivohon’i Japon ny filohan’ny Ceni tamin’io fotoana io ary nandray fiaramnidina nihazo ny any Toamasina kosa ny tolakandro, nidina ifotony ny fanisana mpifidy any amin’ny faritra Atsinanana”, hoy izy.
Synèse R.