Maro ny karazan-kazo sarobidy averina amin’ny laoniny any amin’ny faritra Menabe, na hazo tsotra na ala honko. Anisan’ny haverina homen-danja ireo hazo Allée des baobabs manana ny mampiavaka azy, ny hazo anato, efa sarotra hita amin’izao fotoana, sy ny hafa mampiavaka ny faritra Menabe.
Misy ny hetsika fitaizana ara-batana ho fiarovana ireo karazan-kazo sarobidy ireo, hatao hamerenana ny fahaizana miaro ny tontolo iainana. Ny fitrandrahana hazo ao amin’ny faritra Menabe ihany, mifanome tanana ny mponina ao amin’ny distrika Belo Amoron’i Tsiribihina, ho fiarovana ny tontolo iainana.
Manajary ny karazan-kazo ny any an-toerana, satria efa betsaka ny tsy hita amin’ireo hazo sarobidy na hazo tsotra. Tadiavana sy hapetraka ireny any anaty ala, hiaraha-miasa amin’ny sampandraharaham-paritra (Dredd)*. Iaraha-miasa koa ny Dredd sy mampianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa, araka izay tandrify azy, momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Nambara, ohatra ny tsy tokony hamotehana ny ala havadika saribao.
Ndrina