Nanao fanairana ireo mponina mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra , ny vondrona mpamonjy voina miaraka amin’ny BNGRC, ny prefektioran’Antananarivo ary ny corps de protection civile, momba ny mety hihotsahan’ny tany.
Tandindomin-doza ireo mponina miisa 10 000, mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Fokontany 15 no sokajiana ho faritra mena amin’ny mety hisian’ny fihotsahan’ny tany ary saina miloko mena 400 no natsangana eny amin’ireo faritra ireo. Napetraka nanomboka omaly ny saina izay nifarimbonan’ny miaramila sy mpamonjy voina 50 nandritra ny fanatanterahana ny asa teny an-toerana tao anatin’ny dimy andro. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana avy eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC), misy ireo tranga maro efa ahitana ny faharefoan’ny tany eny amin’ireo toerana voalaza ireo ka mety hampihotsaka ny tany. Anisany ny fahitana rano mitsika avy any ambanin’ny tany eny amin’ireo vato aty amin’ny faritra Andrefan’i Manjakamiadana. Manampy trotraka ihany koa ny fikijan’ny orana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, hoy ity manam-pahaizana ity. Araka izany, ampahatsiahivina sy entanina hatrany ireo mponina, izay mipetraka eny amin’ireo faritra voalaza ery ambony, hisintaka sy hiala eny an-toerana mandra-pahitana vahaolana maharitra satria tsy fantatra ny ora na ny fotoana mety hitrangan’ny loza.
Tsy manome fahazoan-dalana hanorina eny amin’ireo faritra mena ireo intsony ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Misy amin‘ireo mponina teny an-toerana no efa nifindra rehefa niseho ny loza taona maro lasa ary nanorina fonenana amin’ny toerana hafa tanteraka. Ny fianakaviana sasany kosa, miverina mipetraka eny rehefa lasa ny fahavaratra satria tsy manana vahaolana maharitra. Ilam-pahamailoana ny loza toy itony fa lahitokana ny aina
Vonjy A.