Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly Mahanoro, ilay ramatoa 40 taona, mpivarotra amoron-dalana, nilatsahan-kazo omaly tao Bazar Be Mahanoro, ampitan’ny biraon’ny polisy. Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo, tsy nisy nanampo ny rehetra. Nidaraboka tampoka ilay hazo ka nidoboka tamina ramatoa mpivaro-trondro teo an-toerana. Lehilahy iray naka alokaloka tsy lavitra teo koa no nilatsahan’izany ka tsy nahatsiaro tena hatramin’izao vokatr’ity loza ity ihany. Ankoatra izay, ankizy dimy taona iray sy vehivavy iray koa mbola lasibatr’ilay hazo. “Tsy dia naninona izy mianaka ireto. Ilay zaza io moa zanak’ireo mpivarotra eny ihany. Nipitihan’ireo rantsan-kazo izy saingy tsy natahorana ny ainy. Ilay vehivavy nandalo kosa taitra mafy ka torana taorian’ny zava-niseho”, hoy ny fanazavan’ny polisy ao an-toerana. Potika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza nisesisesy ireny ity hazobe ity, vaky roa mihitsy ka izao nitera-doza izao. Taorian’io, notapahana ilay hazobe hisorohana ny loza mbola mety hiseho.
Henintsoa Hani