Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana: “Majavozavo ka mila fanatanterahana zaikabe”, hoy ny filohan’ny Dnelm

Lany teny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa ny volavolan-dalàna laharana faha 009/2022 tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata 13 desambra teo.

Manoloana ny fivoaran’ny raharaha, nitondra fanehoan-kevitra ny filoha nasionaly ny Délégation Nationale des Ecoles Libres de Madagascar (DNELM), Rakotoniaina Justin Claude, omaly. Nambarany fa teo am- pamolavolana ny volavolan-dalàna , tsy nisy ny fakan-kevitra avy amin’ny fanabeazana tsy Miankina izay mpisehatra mivantana amin’ny fanabeazana. Manana anjara toerana lehibe amin’izany sehatry ny fanabeazana izany. Notohizany fa tsy nisy ny nampifanjohy ny sehatra rehetra mpiantsehatra mivantana na ankolaka nandritra ny famolavolana. Filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana (Conseil National pour l’éducation) izay afaka manao izany tsy miorina intsony.

“Nisy ny « forum pour l’éducation » izay natao, nampisalasala ireo mpiantsehatra ny nitohy tamin’ny “sommet pour l’éducation”  tany Washington .Nandraisana ny “engagements de l’Etat” mahakasika ny fanatsarana sy fampivoarana ny fanabeazana. Heverinay fa misy hifandraisany amin’ny “loi d’orientation” izany.Tsy misy nipika ny vokatr’izany”, hoy hatrany ity filohan’ny Dnelm ity. Taorian’ny nahatongavan’ny volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimieram-pirenena vao nahita ny votoatiny ireo fampianarana tsy miankina.

Tsy nankan-kevitra ny tsy miankina…

Tamin’ny fandaniana azy, mampieritreritra ny nahalalana fa 13 amin’ireo solombavambahoaka 151 no nandany azy io. Noheverina fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana tokoa ny fanabeazana ,ka hanome lanja ny fandinihana ny volavolan-dalàna io ny Antenimieram-pirenena. Ny mety ho vokatry ny fahalanian’ny volavolan-dalàna , ho an’ny fotodrafitrasa, tsy ho tanteraka ny fanovana ny fanabeazana fototra ho enina taona satria dimy taona no zakan’ny sekoly ankehitriny. Ny fotodrafitrasa naorin’ny fitondram-panjakana  ,EPP,CEG  ary  lycée manara-penitra. Mifanohitra amin’io volavolan-dalàna vao lany io izany satria voafaritra ao anatiny fa tsy maintsy mandalo ny dingana akany fibeazana  “préscolaire” miampy enin-taona ny ambaratonga voalohany.

Nofeheziny fa manjavozavo ho an’ny Dnelm ilay “loi d’Orientation ary sarotra amin’izy ireo  ny hilaza ny mety ho fahavononana na tsia amin’ny fampiharana izany. Vahaolana amin’izy ireo ny fanatanterahana zaikaben’ny fanabeazana tena izy. Andraisan’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fanabeazana miaraka amin’ny mpanapa-kevitra rehetra anjara. Eo ihany koa ny fametrahana ny Filankevi-pirenena momba ny fanabeazana sy amin’ny tena toerana mendrika azy.

Vonjy A.

Partager sur: