Mandritra ny fety: 3000 mahery ny polisy hiasa

Hahatratra 3000 mahery ireo polisim-pirenena hisahana ny fandriampahalemana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao 2023. Toy ny mahazatra, misy ny rindram-damina atao hiatrehana ny fety. Amin’ity indray mitoraka ity, nampitomboina ireo mpitandro filaminana hiasa eto an-drenivohitra. Raha tokony ho 2.600 isa  izany dia lasa 3.000 mahery ampian’ireo mpiofana ao amin’ny “Ecole nationale des inspecteurs et agents de police”  (ENIAP) ao Antsirabe. Ankoatra izay, ampiasiana avokoa ireo fitaovana rehetra hahafahana manafaingana ny asa. Toy ny moto sy fiara ary indrindra ireo “caméra de surveillance » miisa 1.200 eto an-drenivohitra. Fitaovana nomena ny polisy hahafahana manara-maso ary handrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra izany, hoy ny kaomisera Andrianalison Hami talem-paritry ny filaminam-bahoaka.

Henintsoa H.

Partager sur: