Seho Noely goavana indrindra amin’ity ny “Noely Fihobiana”. Misy tanjona hotratrariny ny hetsika, ankoatra ny maha fampisehoana azy. Efa lany mialoha avokoa ny tapakila.
Efa fahombiazana mialohan’ny seho ny fahafantarana fa tsy misy intsony ny tapakila. Mikasika ilay hetsika “Noely Fihobiana”, izay tontosaina anio etsy Mahamasina io. Marina fa tsy misy ny vidim-pidirana, saingy nisy kosa ny karatra fanasana nozaraina isam-piangonana, ary tena navitrika ireo mpino naka izany. Seho goavana izy ity, izay hafanain’ireo mpanakanto kalaza zanaky ny fiangonana FJKM, toa an’i Henri Ratsimbazafy, Rija Ramanantoanina, Bodo, Luk, Mahery, Laurent Rakotomamonjy ary Rojo Ny Avo. Hanampy azy ireo koa ny antoko mpihira maro avy amin’ny Sampana Tanora Kristianina FJKM.
Mazava loatra fa ireo hira manodidina ny Noely no haverin’ireto mpanakanto ireto an-tsehatra, araka ny fanaovany azy. Misy ireo sanganasany azy manokana, fa ny ankamaroany kosa dia hira efa taloha, fanao any am-piangonana. “Fety entina hivondronana na ho an’ny ankizy na ho an’ny lehibe io”, hoy ny nambaran’i Bodo. “Hafa foana ny miara-mihira amin’ny antoko mpihira marobe. Hisy maro ry zareo no hiaraka aminay mandritra izany. Tena fampisehoana miavaka no hatolotra na maimaim-poana aza ny fidirana. Hisy kosa ny boatin-drakitra izay handrotsahana ny fanehoam-pifaliana amin’io, ho fanohanana ny tanjona iraisana”, hoy kosa i Rija Ramanantoanina.
Marihina fa tafiditra anatin’ny ezaky ny Sampana Tanora Kristianina eo anivon’ny FJKM ity hetsika ity, hamitana ny trano fiangonana any Bemahatazana.
Zo ny Aina